Muay Thai : hanokatra ny taom-pikatrohana 2023

Hotanterahina ny 6 feb­roary ho avy izao, ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny taranja Muay Thai, hay ady avy amin’ny kolontsaina thailandais sy asiatika. Tsy diso anjara ny mpiangaly izany eto Madaga­sikara fa hankalaza ihany koa. Nambaran’ny filohan’ny fe­derasiona malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Haina Tiana Gervais, fa sady fanokafana ny taom-pikatrohana 2023 ho an’ny taranja Muay Thai malagasy io andro io. Hotontosaina mandritra izany koa ny fifampiarahabana na­hatratra ny taona eo anivon’ny federasiona.
Tsara ny manamarika fa taranja tena manavanana ny Malagasy tokoa ny Muay Thai ary efa nandraisana anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ka nahazoana vokatra tsara. Efa manomboka miroborobo ihany koa ity taranja ity izay efa manenika an’i Madagasikara. Ligy mi­isa 6 (Atsinanana, Matsia­tra Ambony, Bongolava, Vaki­nan­karatra, Analamanga, Alao­tra Mangoro) hatreto no efa tafatsangana. Efa mahatratra 500 mahery ny mpikatroka manerana ny Nosy.

Mi.Raz

Partager sur: