Hita faty tao anaty rano teny amin’ny karieran’Ambohimahitsy, ny alarobia hariva teo, i Christianah rehefa tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy teo.
Nampivarahontsana. Natsingevan’ny rano afakomaly, teny amin’ ny karieran’Ambohimahitsy ilay zazavavikely enin-taona tsy hita hatramin’ny alatsinainy teo. « Tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro teo no nisy nahita izy, ary tena ilay zaza mihitsy ilay natsingevan’ny rano”, hoy ny filazan’ny reniny vonton’alahelo tanteraka. Nambarany fa tsy nisy ratra na mangana na trangana fanolanana nahazo azy. Ary tsy mbola simba ihany koa ny nofo mangatsiakany tamin’ny fotoana nahitana azy. Ny alatsinainy hariva teo, avy nianatra i Christianah ary nanatitra kitapo tao an-tranony. Nilaza tamin’ireo ray aman-dreniny fa handeha hilalao niaraka tamin’ireo namany izy. Taorian’izay, tsy nandrenesam-baovao intsony. Nanomboka teo ny fikarohana, nampandrenesina ny zandarimaria eny an-toerana. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny filazana sy fikarohana azy. Samy nitady ny rehetra fa tsy nahitam-bokany.
Nisolifatra
Ny alarobia teo, hitan’ny fokonolona teny an-toerana natsingevan’ny rano teo amin’ ny karieran’Ambohimahitsy ny nofo mangatsiakany. Nantsoina ny tomponandraikitra samihafa sy ny dokotera nijery izany. Nomarihin’ny fianakaviany ihany koa fa i Christianah ilay maty io. Mbola teny aminy rahateo ny fitafiana nanaovany. “Mety nahazo ny amoron’ilay kariera ny lalany ka nisolifatra ary latsaka tao anaty rano izy”, raha ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana. Maty an-drano kosa ny fahitana azy, hoy ny dokotera nanao ny fizahana. “Matetika ireo mpamono tena no mamonjy eo amin’io farihy io ary efa betsaka no maty tao”, hoy ny zandary. Taorian’ny fizahana natao rehetra, noentin’ireo havany ilay vata-mangatsiakan’i Christianah. Nanentana ny mpiara-belona ny mpitandro filaminana mba hijery sy hanara-maso ny ankizy, hisorohana ny loza toy izao.
Nambarany fa tsy fitandremana ny antony nahatonga izao. Hisokatra aorian’ny fandevenana an’ilay zaza maty kosa ny fanadihadiana ny raharaha.
Henintsoa Hani