Hanomboka anio ny famotorona ireo mpivady niaraka tamin’ny zanany voasambotry ny fokonolona noho ny fangalarana tao amin’ny fokontany Ilanitra, Ampanenjanana, distrikan’ Ambositra. Namaky trano tao amin’io toerana io, nentin’ity raim-pianakaviana ity niaraka taminy ny zanany mbola trotroina sy ny vadiny. Nisy nahatsikaritra anefa io asa ratsin’izy mianakavy io. Raikitra ny tabataba ka voasambotra niaraka izy telo mianaka. Nentin’ny hatezerana, nisy saika hikasi-tanana ilay lehilahy ny sasantsasany tamin’ny fokonolona. Tapaky ny besinimaro anefa, entina manatona ny biraon’ny zandary izy mivady ireo miaraka amin’ny zanany. “Tsy mponina avy ao amin’io fokontany io izy ireo”, hoy ny lehiben’ ny borigadin’ny zandary ao an-toerana. Ho fantatra anio anatin’ny fanadihadiana ataon’ izy ireo kosa ny nahatonga ireto mpivady ireto niara-nanao izao vaky trano izao.
Tsiferana R.