Orinasa STOI : zezika 10 t ho an’ny tantsaha traboina

Misy ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny orinasa tsy miankina STOI, anisan’ny mpamokatra zezika biolojika sy ny fanjakana malagasy. Natolotr’ity orinasa ity teny amin’ny ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny 31 janoary teo, ny zezika biolojika taroka milanja 10 taonina. Entina hanohanana ny tantsaha mpamokatra, tratry ny rivodoza Cheneso farany teo izany fanampiana izany.

Homena tombony manokana ny tantsaha mpamokatra any amin’ny distrika Maroan­tsetra, anisan’ny faritra nandalovan’ny rivodoza. Ao anatin’ny fotoam-pamokarana rahateo ny tantsaha any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hampanjary ny fambolen’izy ireo, hentina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, mifanandrify amin’ny velirano fahasivin’ny filoha Rajoelina.
Famokarana vary safiotra

Nilaza ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy, fa « zava-dehibe sady manan-danja ity tohana avy amin’ny orinasa STOI ity, satria hampiakatra ny taham-bokatra ny fampiasana ny zezika biolojika. Sady manatsara sy mitandro ny hatsaran’ny nofon’ny tany ». Nohamafisiny koa fa hisitraka ny tohana avy amin’ny fanjakana avokoa ny tantsaha rehetra any amin’ny faritra nandalovan’ny rivo-doza. Hisy koa fizarana fitaovam-pamoka­rana.
Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny famokarana ny karazam-bary safiotra ihany koa ny orinasa STOI. Eo koa ny fanapariahana ny zezika voajanahary, voakasik’izany ny any amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Andrefana.

Njaka A.

Partager sur: