Hotanterahina ao amin’ny « Avenue de l’indépendance » ao Toamasina anio, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ ny DSRP ny faritra Atsina-nana teo aloha sy ny mpisolo toerana. Marihina fa nitàna io andraikitra io teo aloha ilay jeneraly polisy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika, tetsy By-pass, ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’io, voatonontonona tamin’ny fanodinkodinana cocaïne sarona tao amin’ny seran-tsambon’i Toamasina ny taona 2021. Niakatra fampanoavana ny faran’ny herinandro teo ny raharaha mahakasika ny fisamborana azy tetsy By-Pass niaraka tamin’ ny olona iray hafa sy ny zava-mahadomelona sarona teny aminy. Naiditra am-ponja vonjimaika izy. Rehefa natao ny fanadihadiana, tsy ao amin’ ny fonjan’Antanimora, Tsiafahy sy Ambalatavoahangy ity jeneraly polisy ity. Andrasana, araka izany, raha toa ka hanatrika ity fifamindram-pitantanana eo amin’ny tomponandraikitry ny fandriampahalemana ao an-toerana ity izy.
Randria