Toetr’andro : ahina mafy ny rivodoza amin’ny herinandro

Nanazava ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Am­pandrianomby fa vinavinaina hanome vahana ny fiforonana rivodoza ao amin’ny Ra­no­masimbe Indiana sy ao amin’ny lakandranon’ny Mozambi­ka ireo fepetra an-dranomasina sy ny atmosfera amin’io herinandro miditra io (06 – 12 Febroary 2023).
Misy fanahiana kely ho an’i Madagasikara ny amin’izany fiforonana andro ratsy izany satria eo anelanelan’ny ranomasina roa hitoeran’izany andro ratsy izany ny misy antsika.
Tokony hanara-maso ny fivoaran’ny rivodoza, noho izany, ireo distrika ao amin’ny faritra Sava, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Menabe sy ireo distrikan’ny Mandritsara, Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Ifana­diana, Besalampy, Maintira­no, Morafenobe, Antsalova, Morombe, Toliara, Betioky Atsimo, Ampanihy, Beroroha, Ankazoabo Atsimo ary Saka­raha.
Mbola nanamafy kosa ny Meteo Madagasikara fa tsy misy atahorana ny mety fiforonana rivodoza hahakasika an’i Madagasikara hatramin’ny 5 febroary.
Mahakasika ny vinavinan’ny tonon-taona ho an’ny telovolana voalohany, febroary, martsa, aprily 2023 kosa dia vinanina hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana saika manerana ny Nosy an­koatra ny any Alaotra Man­go­ro, Analanjirofo, Atsi­nanana, Analamanga sy ny tapany atsimon’i Sava sy Sofia, ny tapany atsinanan’i Betsiboka ary ny tendrony atsinanan’ny faritr’Itasy sy Vakinankaratra.

Tatiana A

Partager sur: