BAD sy Kanada : manohana PME ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Miara-miombon’antoka ny Banky afrikanina momba ny fa­mpandrosoana (BAD) sy ny governemanta kanadianina ha­no­kana tahiry ho fampirobobo­ana ny orinasa madinika hivelatra amin’ny sehatra fambolena sy fahaleovantena ara-tsakafo
Nandritra ny fivoriambe mo­mba ny sakafo tany Dakar, tsapa fa vonona ireo orinasa madinika sy salantsa­la­ny  (PME) ha­meno ny banga ha­melona ny tontolon’ny tontolo iainana sy hanomezana aina avy amin’ny ny sehatry ny fambolena. Ny famatsiam-bola ho an’ny PME miasa ho an’ny sehatry ny fambolena sy sakafo manana fahafahana manokatra fahafahana aty Afrika, ho an’ny lahy sy ny vavy.
73,5 tapitrisa dolara no hamatsian’ny governemanta ka­nadianina ny teikasa aty Afrika, tantanan’ny BAD, ma­nodina sy mitatitra vokatra aty Afrika. Nomarihan’ireo mpamatsy vola fa mbola vitsy ny miasa mivantana amin’ny sehatry ny fambolena sy fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika , anisan’izany eto Madagasikara, tsy voafidy amin’ity famatsiam-bola ity.
Natao indrindra izao fama­tsiam-bola izao handraisana anjara amin’ny fandaharanasa AFAWA* manome vola ny fahabangana na fatiantoka hatramin’ny 42 miliara dolara. Voalaza fa homena vahana manokana ny orinasa madinika sy salantsalany tantanan’ny vehivavy.

Ndrina
AFAWA* : Affirmative Finance Action for Women in Africa

Partager sur: