Boroborintany I, III, IV: mijoro ny fikambanan’ny reny mananotena

Mijoro amin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly ny fikambanana ivondronan’ireo reny tokan-tena eo anivon’ny boriborintany telo eto Antanana­rivo Re­nivohitra (Boriborin­tany voalohany, fahatelo ary fahefatra).
Misy ny tetikasa San­dratra iarahan’izy ireo manatanteraka amin’ny kaominina Anta­nana­rivo Renivohitra sy ny ONG Aide et Action.
Tanjon’ny tetikasa ny hi­sian’ny tohana ara-tsosialy sy arak’asa ho an’ireo reny to­kan-tena ireo. Kendrena mba hisitraka asa mendrika sy mahavelona ny ankohonan’ izy ireo ary hahakolokolo ny zanany.
Ezaky ny tetikasa ihany koa ny hahafahan’ireo reny ireo miantsehatra sy mandray andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina ho antoky ny fampandrosoana ny tanànany ary hahaleotena ara-pivelomana.
Miisa 300 ireo renim-pianakaviana tokan-tena misitraka ny tetikasa Sandratra. Misy amin’ireo reny ireo no maty vady, ny sasany nilaozan’ny vadiny na nisaraka ary ny hafa niteraka tsy nanambady mihitsy.
Tafiditra indrindra ao anatin’ny veliranon’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, ny sehatry ny sosialy miainga eny ifotony.
Misedra olana ireo reny mananotena amin’ny famelomana ny ankohonany satria miady irery. Torak’izany amin’ny fitaizana ny ankizy ao an-tokantrano. Mandeha ila ny fitaizana satria tsy misy ray mpananatra, tsy misy ray mpamelona.
Izany indrindra no antony hanohanana azy ireo manokana mba hahatoky tena amin’ny andraikitra raisiny sy ny asa fivelomana.

Tatiana A

Partager sur: