Fifaninanana horonantsary : manomboka ny FIFF andiany fahatelo

Hiditra amin’ny andiany fahatelo ny “Festival Inter­national des Films des Fem­mes de Cotonou” na FIFF. Fifaninanana karakarain’ny Association EcranBénin, ho an’ny Vehivavy Afrikanina mpamokatra sy mpanatontosa sarimihetsika. Misokatra ma­nomboka izao ary tsy hifarana raha tsy ny 30 aogositra 2023 ny fisoratana anarana. Loha­hevitra amin’ity hetsika lehibe ity ny hoe “Ho amin’ny firaisankinan’ny sinema ataon’ny vehivavy”. Ny dingan’ny fa­maranana sy ny fanolorana ny amboara dia ho tanterahina mandritra ny FIFF 2024 an­dia­ny fahatelo atao ao Bénin ny 6 hatramin’ny 11 febroary 2024.
“Tanjona amin’izao ny fampiroborobona sy fanomezana lanja ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika.” hoy i Cornélia Glélé, Talen’ny Fikambanana Ecran Bénin. Misokatra ho an’ny Vehivavy mpanatontosa Afri­kanina ity fifaninanana ity. Ankoatran’izay sarimihetsika sy horonantsary fanadihadiana ary fanentanana novokarina sy notontosaina ny taona septambra 2021, raha ela indrindra no afaka mandray anjara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: