Hetsika ho an’ny tanora : tafaverina ny “Slumourap”

Hotontosaina ny 11 fe­broary 2023, eny amin’ny Madagascar Underground An­tsahavola, ny hetsika “Slu­mourap”. Hetsika iarahan’ny mpanao hatsikana Stand up sy ny mpankafy mozika rap ary ny mpanao Slam. Fikamba­nana maro, misehatra eo amin’ny tontolon’ny hatsikana sy ny rap ary ny Slam no hiara-misalahy hanatanteraka ity hetsika ity. Efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny pejin’ny Slumourap. Fifaninanana hahazoana loka tsy ampoizina avy amin’ny mpikarakara.
Hetsika nanana ny lanjany sy niavaka tokoa ny “Slu­mourap”. Tsy nisy ny hetsika tao anatin’ny fotoana vitsivitsy ary tafaverina izy ankehitriny ho famaliana ny filàna sy fangatahan’ny mpankafy rap sy hatsikana Stand up. Tsy miova ny fepetra fa sahala amin’ny an’ny Slam ihany. Mampiavaka azy kosa ny lafiny fampiomehezana. Misoka­tra ho an’ny rehetra ny fifaninanana saingy voafetra ho 10 ihany ny mpandray anjara.
Hisy ihany koa ny sehatra misokatra ho an’ny mpanao hatsikana Stand up sy ny mpanao rap mandritra ny hetsika. Tanjona amin’izany ny fampiroboroboana ny kolontsaina an-tanandehibe, indrindra ny Stand up. Izy ity izay mbola tsy be mpahalala eto amin­tsika.

Lin ( Mpianatra asa)

Partager sur: