Tamin’ny taona 2010 no niforona ny lalam-piofanana « transit et douanes » teo anivon’ny In.S.P.N.Mad (Institut Supérieur Polytechnique des Novateurs de Madagascar). Etsy Ambaranjana Antananarivo no nanombohany, izay ankizy efa hatramin’ny 1500 no navoakany. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny In.S.P.N. Mad, Randrianarivelo Dieudonné, fa miroborobo ity lalam-piofanana ity ao aminy, satria dia nanome fahafaham-po sady tsy misy « chômeurs » fa nahita asa daholo izay nivoaka tao.
Ankoatra izay, fanabeazana miaina anaty fifohazam-panahy no hita ao, hoy hatrany ity Tale jeneraly ity, izay mifameno tanteraka. Ampolony no isan’ny mpampianatra ao, izay manana ny fahaiza-manao ka tsy mena-mitaha amin’ny sekoly ambony hafa. Raha hiverenana kosa ny mahakasika ny In.S.P.N.Mad, dia « cours télé- enseignement » no niandohana, ka efatra mirahalahy no niketrika izany, nanapa-kevitra ny hamadika azy ho In.S.P.N.Mad izy ireto taty aoriana, izay nanana ny toerany, izay vao haingana no nankalaza ny faha- 30 taona. Tsy nitsaha-niakatra ny laza sy fahombiazan’ny sekoly, izay anisany nahaliana ny ankizy. Ankoatra ny teto Antananarivo niitatra tany Toamasina, Fianarantsoa ary ao Antsirabe ity sekoly ambony ity.
Nohamafisin’ingahy Tale Jeneraly, fa iray ihany ny In.S.P.N.Mad. Nohamafisiny, fa tsy diso lalana ireo mpianatra nisafidy manokana ny sekoly, izay miara-miasa amin’ny orinasa Iraisam-pirenena. Na izany aza, nambarany fa « tsy adidiko izaho samy irery fa adidiko izaho sy ianao no hahazoana fahombiazana ». Notsiahiviny, na teo aza ny fanozongozonan’ny sasany ny sekoly, mbola mijoro tsara izy hatramin’izao.
Mi.Raz