Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile : “Hanaovana fampielezan-kevitra ny sosialim-bahoaka”

Tsy nitsitsy fitenenana. “Navadiky ny mpikamban’ny governemanta hanaovana ny sosialim-bahoaka, ary hanaovana fampielezan-kevitra eny an-toerana izany ny volam-panjakana natokana ho an’ny fotodrafitrasa”, hoy ny mi­nisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean-Emile, momba ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fanombohan’ny taom-pambolen-kazo tany Ilaka Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo.
Tamin’izany no nilazany fa hajanona aloha ny fotodrafitrasa fa hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka ny minisitra. “Kabary teny ankalamanjana iny, nataon’ny olona tsy manana drafitra mazava itondrana firenena fa toy ny hoe: fotsy androany; rahampitso, mainty”, hoy izy. Toy ny hoe tsy misy drafitra mazava itondrana ny fampandrosoana ny firenena.

Nitsikera ny fitondrana

Baiko nomena ny minisitra ny hoe ajanony ny fotodrafitrasa, ataovy ny sosialim-bahoaka ary midinà eny an-toerana.
Tsiahivina fa anisan’ireo mitsikera mafy ny tsy mety ataon’izao fitondrana izao ity, olon’ny amiraly Ratsiraka ity. Anisan’izany ny nanakianany ny fandaharanasa, lalambe migodana, Antananarivo – Toamasina. Efa minisitry ny Fitaterana rahateo ny tenany, teo aloha.

R. Nd.

Partager sur: