Jery taratra…

Efa zotram-pifidianana izao…
Nifarana ny fisoratana anarana isan-tokantrano amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy tratra ny vinan’ny Ceni hoe 13,5 tapitrisa ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana. Na ny 10 tapitrisa aza, tsy tratra ny 31 janoary niafaran’ny fanisana mpifidy eny anivon’ny tokantrano.
Na izany aza, nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa mbola hiova ny tarehimarika, fa tsy mbola miakatra ny vokatry ny fanisana mpifidy eny anivon’ny kaominina mankeny amin’ny distrika. Tsy mifarana tanteraka eo koa ny fisoratana anarana, fa mbola azo atao eny anivon’ny fokontany.
Lazain’ny mpanohitra fa tsy mifanaraka amin’ny tetibolam-panjakana ny tenin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fanombohan’ny taom-pambolen-kazo tany Ilaka Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo, fa hajanona ny fanorenana fotodrafitrasa fa hiompana amin’ny sosialim-bahoaka ny governemanta.
Nilaza ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fizarana fanampiana ho an’ny traboina any Marovoay, faritra Boeny, fa tsy maintsy vitaina ireo fotodrafitrasa natomboka: ny fitarihan-drano any atsimo, ny lalambe migodana, sns, fa atao laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka.
Hifarana eo ny adihevitra momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy? Toy izany koa ny amin’ny sosialim-bahoaka hoe imasoan’ny fitondram-panjakana bebe kokoa amin’izao, izay adikan’ny sasany ho efa fiatrehana ny fifidianana; eny, na eo aza ny fahasahiranam-bahoaka.
Mitombo ny fangatahana ny hirotsahan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fifidianana; eny, na tsy mbola nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny firotsahan-kofidiny aza izy. Anisan’izany, ohatra, ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna ao anatin’ny faritra Atsinanana, ny Betsi-Groupe, ny IFI, ny TGV…

R. Nd.

Partager sur: