Nihofahofa tao Algérie ary nanakoako manerana an’i Afrika ny Barea de Madagascar, omaly alina. Lasan’ny Malagasy ny laharana fahatelo ary norombahiny ny medaly alimo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2022”.
Nentin’ny Barea de Madagascar nody an-tanindrazana ny medaly alimo teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Resiny tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 teo amin’ny fiadian-toerana laharana fahatelo ny Mena de Niger. Fihaonana notanterahina, omaly zoma, tao amin’ny kianja Milouf Hadefi Olympic Stadium.
Niady ny lalao satria efa tany amin’ny 90 mn vao nahafaty io baolina nahazoan’ny Barea ny fandresena io i Jean Yves, taorian’ny dakaben’i Tendry izay votsotra teny an-tanan’i Kassali Djibo.
Nanantombo kely teo amin’ny fanafihana ry zareo Niger, teo amin’ny fidirana voalohany saingy tsy tafavoaka teo anatrehan-dry Berajo sy i Ando ary i Tony. Tetsy an-kilany, nisy baolina tokony ho tafiditr’i Tsiry, teo amin’ny minitra faha-44 saingy nisavoana ambony ny dakany.
Fizaram-potoana faharoa, totoafo ny fanafihan’ny Barea. Nisy ihany koa ny fanovana mpilalao ka niditra i Tendry nanolo an’i Carlos ary i Lalaina naka ny toeran’i Doddy. Anisan’ny nanahirana an-dry zareo Nigerianina i Dax, izay voafidy ho mpilalao mendrika. Betsaka ireo baolina tokony tafiditra saingy nidona tamin’ny vodilaharan’ny Menas hatrany ny dakan-dry Lalaina sy i Dax.
“Faly aho fa tonga fahatelo na vao sambany aza ny fandraisana anjara. Mafy ny nolalovana nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreto saingy nihafy ary niasa mafy ny rehetra vao nahazo iny vokatra iny”, hoy i Rôrô, mpanazatra
Tsiahivina fa ho tonga rahampitso alahady amin’ny 1 ora sy sasany ny Barea ary hanaovana lanonana etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Marihina fa nahazo 300.000 dôlara ny Barea de Madagascar.
Tompondaka