Notanterahina omaly tany Antsirabe, ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra vehivavy taona 2022. Manjaka tanteraka ny ekipan’i Vakinankaratra. Lavon’ny Disciple FF Antsirabe tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Mifa Analamanga, resin’ny AC Sabnam Vakinankaratra tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Ascuf Fianarantsoa.
Ho toy ny lalao famaranana izany ny fifandoman’ny ekipa samy avy any Antsirabe, ny AC Sabnam sy ny Disciples FF. Lalao izay tafiditra amin’ny andro farany, izay hotanterahina ny alahady ho avy izao ao amin’ny kianjan’ny Vélodrome. Tsiahivina fa natao hifantenana ny Barea vehivavy hanao ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) izay atao eto amintsika ny fifaninanana.
Marihina fa aorian’ity fifanintsanana ity no atao ny fampivondronana ireo mpilalao Barea vehivavy izay hanao ny lalao fanomanana ny JIOI 2023, lalao izay hihaonan’izy ireo amin’ny nosy Mayotte. Araka ny vaovao, hotanterahina amin’ny volana marsa any ny fihaonana.
Fitia (Mpianatra asa)