Krizy ara-tsakafo: manodidina ny 700.000 t ny vary nafarana

Ambony indrindra ny fanafarana vary avy any ivelany tamin’iny taona 2022 iny. Tsy ampy vokatra eto an-toerana sady ratsy, saingy antenaina hivoatra kosa izany amin’ity taona 2023 ity.

Tsy maintsy manafatra vary avy any ivelany i Madagasikara satria tsy ampy ny vokatra eto an-toerana. Tafakatra 681.000 taonina izany tamin’ny 11 volana voalohany ny taona 2022, ary mbola miampy ny volana desambra, izay azo heverina fa nihoatra ny 700.000 taonina. Io no lanjan’ny vary nafarana avy any ivelany, indrindra raha oharina amin’ny tany aloha, satria nahatratra 629.400 t ny taona 2021, araka ny antontanisa avy amin’ny Foibe mpanara-maso ny vary (ODR). Manodidina ny 498.000 t ny vary nafarana avy any ivelany ny taona 2019 raha 605.000 ny taona 2018.

Tsara ny vokatra tamin’ity taona ity
Anisan’ny nahatonga io fiakaran’ny lanjan’ny vary afarana io ny tsy fahampian’ ny vokatra eto an-toerana. Nilaza i Rasolo, tantsaha mpamboly varialoha any Anjozorobe, fa ratsy ny vokatra tamin’ny taom- pambolena 2021- 2022 satria tsy ampy rano tamin’ny fotoana nanetsana. Izany hoe, mipaka any amin’ny tantsaha any ifotony izany ny tsy fahampian’ny vokatra . Aminy, izay koa no nahatonga ny vidim-bary eto an-toerana nidangana, mihoatra ny 3.000 Ar ny kilao. Notsorin-dRasolo kosa anefa fa tsara ny vokatra varialoha tamin’ity taom-pambolena 2022-2023 ity, izay nanomboka niakatra tamin’ny volana janoary teo hatramin’ny volana marsa, na teo aza ny rano nentin’ny rivodoza Cheneso.

2.300 Ar ny kilao
Manodidina 400 dolara ny vidin’ny iray taonina eo amin’ ny tsena iraisam-pirenena. Raha adika tsotra, manodidina ny 1.680 Ar ny kilaon’ny va­ry, tonga eo amin’ny seranantsambo (FOB), tsy ao anatiny ny fandaniana samihafa toy ny saran’ny fitaterana an-dranomasina, ny hetra, ny saran’ ny fitahirizana, ny fitaterana anatiny, sns. Izay no mahatonga ny vidin’ny vary afarana avy any ivelany ho manodidina ny 2.300 Ar ny kilao.
Eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, firenena tena mpamokatra vary ny any Azia, toa an’i India, Thailandy, Viet­nam, Pakistan, ….

Njaka A.

Partager sur: