Ho hentitra kokoa ny fandrindrana ny asa ao anatin’ny hamehana satria efa mihodina ny ivontoerana manokana izay nampiasaina nandritra ny fandalovan’i Cheneso.
Efa miasa ny ivontoerana nasionaly mandrindra ny asa anatin’ny hamehana sahanin’ny birao nasionaly mitantana ny loza sy ny tandindon-doza (BNG RC). Ivontoerana voalohany eto Madagasikara ity ahafahana mahazo ara-potoana ny fivoaran’ny zava-misy sy ny asa rehefa misy voina miseho. Mampihena ny fiantraikan’ny loza amin’ny vahoaka ny fisiany, hoy ny minisitry ny Atitaty sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, omaly teny Antanimora. Hanamafy ny fandrindrana ny asa eny ifotony koa satria rehefa tonga ny rivodoza, simba ny fihariana sy ny fotodrafitrasa toy ny lalana, tohodrano, tetezana… ka sahirana ny vahoaka.
Nanohana ara-bola tamin’ny fametrahana ny ivontoerana ny Fandaharanasan’ ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) nanolotra vola 160 000 dolara. Eo koa ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) nanome 161 000 dolara hampitaovana ny lafiny informatika tena ilaina hitantanana ny asa sy ny fandrindrana ny fanampiana ny traboina.
Nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa no nanambaran’ny solontenan’ny Pnud eto amintsika, Issa Sanogo, fa mampanahy ny zava-misy momba ny tsy fahampiana sakafo any Atsimo Atsinanana. Voakasika manokana ny distrikan’Ikongo sy Befotaka, araka ny voalazany. Ilaina ny fampiasana fitaovana manokana toy ny angidimby hitondra fanampiana ho an’ireo vahoaka tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Vonona hanampy ny BNG RC amin’ny asa rehetra eny ifotony ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana eto amintsika anatin’ny voina rehetra. Mbola nanamafy ny praiministra, Ntsay Christian, fa mila fandrindrana ny asa eny ifotony rehefa misy voina miseho, tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teo, 18 ny faritra voakasika. Efa manana drafitrasa fiatrehana ny voina ho an’ny taona 2023 i Madagasikara.
Vonjy A.
Efa nody avokoa ireo traboina nitoby tamin’ny toerana samihafa teto Antananarivo Renivohitra. Antony, ny fihenan’ny rano niakatra eny amin’ny toeram-ponenan’izy ireo, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny tomponandraikitry ny BNGRC, omaly. Efa nentanina mba ho mailo amin’ny loza ateraky ny hainandro izy ireo, raha ny tatitra voaray hatrany. Toy ny firodanan’ny trano na ny tamboho.