Mangingina ny tanàna, tsy hita be ihany ny handraisana azy. Mitohy ny andavanandron’ny mponina. Seriny amin’ny paikadiny ny mpanao politika. Ny mpandraharaha, ankilan’izany sahirana amin’ny fitazonan’aina ny fidiram-bolany. Vao manomboka ny taona, samy rempotra sy sempotra daholo ny malagasy, tsy an-kanavaka. Olom-bitsy, izay migoaka ny tombontsoa tsy hita pesimpesenina amin’ny fahefana ananany sisa mahazoazo aina. Tsy afaka miaina malalaka koa na izany aza fa mandry an-driran’antsy amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana.
Tsy ho ratsy saina sy tsy hanana fijery miiba anefa isika, mba ahafahana miatrika sy manarina izay fahavoazana sedraina, ankehitriny. Mbola misy ny fanantenana sy ny herjika, hivoahan’i Madagasikara amin’izao olana isan-karazany izao. Mitaky ny fahasahian’ny vahoaka malagasy mandray an-tanana ny hoaviny sy ny fiainany izany. Mitaky fahatsapan-tena sy fanekena fa tsy maintsy miala ao an-tokantranony ny vahaolana.
Amin’ny fomba ahoana ? fanontaniana mipetraka foana izany. Ny hohanina anio aza rahampitso vao haloa. Ny trosa rahampitso, tsy hay izay fotoana ahafahana hanefa azy. Mahakivy tokoa raha entina amin’ny fomba fijery iray io. Kanefa arakaraka ny tsy ahatongavan’ny tsirairay saina, no maika ampilentika azy any anatin’ny fahantrana mangitsokitsoka. Fotoana hifohazan’ny olom-pirenena, hahay hanaitaitra ny mpitondra izao. Tsy ho mpampandry adrisa fotsiny fa hiova famindra. Hitondra ny vahoaka any amin’ny « fiadanana » sy ny fandrosoana tena izy.
Efa milaza ny fahavononany ho amin’izany ny filoham-pirenena, indrindra ny fanampiana sosialy aloha. Hanovozana ny angovo ho enti-miainga sy manarina ny fahavoazana nateraky ny aretina Covid, ny ady maneran-tany, ny olana anatiny toy ny rivo-doza sy ny voina samihafa. Sady tsy ho ampy anefa izany, no tsy ho azo hianteherana satria vonjy ranovaky sy hamehana. Tsy maintsy miara-misalahy sy tsy maintsy mahasahy mamaky bantsilana ary mitaky ny zony ny vahoaka. Tsy sanatrian’ny vava hoe hidina an-dalambe na hitokona hampikatso ny raharaham-pirenena. Mila sahy mijoro sy mitaky kosa ny famahana ny filana fototra ho enti-mamokatra. Rehefa milamina ny fiainam-bahoaka, mandry ivohon’ny vato ho azy ny mpitondra ! sa tsy izay moa ? Mitaky fahasahiana.
r.r