“Mozika, mozikako !”: hanasa an’i Fanja Andriamanantena i Silo

“Mozika, mozikako…”. “Hira noforoniko hohirain’i Silo. Matsiro sy mamy toy ny vary tondrahan-tantely…”, hoy ny filazan’i Fanja Andria­manantena azy. Io lohatenin-kira io koa mantsy no nosafidian’i Silo hitondrana ny fampisehoana manaraka, izay hotontosainy ny zoma 24 febroary izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva, etsy amin’ny Plaza Am­pefiloha.
“Hizarako tantara, fiainana, fitiavana, ady voamariky ny mozika sy ny fifankazahaoana, ny hatsarana tadiavinay, hanasanay anao, anareo, hiara- hihanoka sy haka fy ireo tsirony, ho sakafom-panahy sakafon-kolontsainao hoan’ity taona 2023 ity”, hoy kosa ny filazan’i Silo azy. Fampisehoana efa nampanantenainy tamin’ny fihaonana voalohany ny 13 janoary teo io. Noho ny hateren’ny toerana tamin’izany, maro ireo tsy afa-nanatrika ny seho, ka hitondrany ny anjoria amin’ny efitrano lehibe kokoa indray amin’ity.
Tsy voalohany ary tsy ho farany mihitsy ny fiarahana an-tsehatra hoan’i Silo sy i Fanja Andriamanantena. Mpi­ray tsikombakomba anaty mozika efa aman-taonany maro, ary niakara an-tsehatra matetika ihany koa. Misy foana anefa ny zava-baovao, ary mihoatra noho ny andra­san’ny mpankafy, ilay tena mpankafy mozika hatrany izany.
Ankoatra ny fandraisana anjaran’i Fanja Andriama­nantena, fotoana iray efa
nampanantenain’i Silo hizarany ny endrikendriky ny fiarahana amin’ity taona ity ihany koa io seho io. “Ho mateti­tetika ny fiarahantsika, saingy tsy hitovy avokoa”, hoy man­tsy ity mpanakanto andra­rezina ity, nandritra ny fiarahana fisantarana ny taona…

Zo ny Aina

Partager sur: