Ady tsara… ady fiady

Ny firafitra na ny mpikambana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no hoe olan’ny mpanohitra sasany amin’izao. Mila fanovana, hono, fanamboarana. Toy izany koa ny amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Ny lalàna no mila finitsiana? Indray voafaoka amin’izany ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, anisan’ny mampitaraina ny mpanohitra ha­tramin’ izay.
Ady fiady izay? Ady tsara… Saingy eo hatrany ny hoe fanjakana tan-dalàna, demokratika… Mby aiza? Mikiribiby izorana amin’izany sy enti-manatratra izany amin’ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena ny mpanohitra. Nahoana raha man­deha amin’ny lalana sy rafitra ara-dalàna? Manao tolo-dalàna hanitsiana ny lalàm-pifidianana, ohatra; na ny lalàmpano­renana, araka izay voalazan’ny lalàmpanorenana ihany. Ady fiady…
Tsy misy ilàna fifidianana sy rafi-panjakana voalazan’ny lalàmpanorenana, raha ndeha hiarahana amin’ny besinimaro amin’ny hoe fikaonandoham-pirenena izay atao rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Misy ny za-dratsin’ny gabora­raka amin’ny fandikan-dalàna hahazoana fahefam-panjakana amin’ny fitondrana Tetezamita na fiaraha-mitantana. Nefa nony injay mahazo fahefam-panjakana, tsy hita izay atao sy vita amin’ny fanovana amin’izany. Na manova na manitsy aza, ohatra, tombontsoa manokana no mahamaika sy lehibe.
Mbola azo heverina sy tanterahina ve ny fanitsiana na fa­novana lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana amin’ny hoe fikaonandoham-pirenena amin’izao? Nefa hoe tsy hahemotra ny fifidianana, ary tsy hivadika zavatra hafa ny raharaha. Raha tena tsy azo ihodivirana ny fanitsiana ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, efa nandramana ve ny lalana araka ny lalàna eny amin’ny fahefana mpanao lalàna?
Hisy hilaza fa tsy manana ny maro anisa amin’izany? Izay no iadiana amin’ny fifidianana, fa tsy hitovy amin’izay tsy manana olom-boafidy na vitsy anisa ny maro anisa. Ady fiady? Ady tsara… Raha tena tsy azo ihodivirana na hetahetam-bahoaka ny tokony hanitsiana na hanovana ny lalàmpanore­nana mbamin’ny lalàna mifehy ny fifidianana, hisy ve ny kan­didà sahy hijoro amin’ny fampielezan-kevitra fa hanao izany raha voafidy eo? Miara-dalana amin’izany izay ho fampan­drosoana entin’ny fanovana.

R. Nd.

Partager sur: