Niavaka ! Indroa miantoana ny fambolen-kazo nataon’ny fianakaviamben’ny Antenimieran-doholona, ny zoma 3 sy ny asabotsy 4 febroary teo, tany Tsaramandroso, kaominina Manerinerina, distrikan’Ankazobe. Nitarika izany ny filohany Razafimahefa Herimanana.
Niakatra 50 ha ny velarantany nambolena hazo raha 30 ha ny taona 2022. Niisa 70.000 ny zanakazo nambolena, nahitana kininina, «frêne», acacia, jacaranda, ravintsara, niampy baobab. Mahatratra 95% ny fahombiazan’ny fanirian’ny zanakazo tamin’ny taon-dasa.
Nanao ny fambolen-kazo ny zoma 3 febroary ny sampandraharaha teknika itsinjaram-pahefana (STD) Ankazobe, niampy ny mpianatra EPP sy ny tsy miankina katolika ary ny fokonolona. Nifanotrona ny asabotsy kosa ny mpiasan’ny Antenimieran-doholona, ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny masoivohon’Alemaina, Indonezia, Torkia, Royaume Unis, ny Onusida, ny Banky Iraisam-pirenena, sns. Nankasitrahan’ny filohan’ny Antenimieran-doholona ny fanotronan’ireo hery samihafa. Nohamafasin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Rtoa Vina Marie-Orléa ny vina handrakofana ala an’i Madagasikara.
Nisy koa ny fitsidihana ny fambolen-kazo 20.000 tany Kiangara, sy 50.000 tany Manerinerina ary ny sekoly sy fanangon-drano any Borikely Ankazobe.
Njaka A.