Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Isotry (CSP4) teny Antetezana Afovoany ny lehilahy iray voarohirohy ho namaky toeram-pivarotana, omaly. Naharay fitairanana ny polisin’ny CSP4 momba ny fahavakisan’ny toeram-pivarotana ao Antetezana Afovoany. Nanatanteraka fisafoana teny amin’ ny manodidina ireo polisy ka nahatsikaritra ity lehilahy ity hita fa somary hafahafa fihetsika sady matahotra. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy ka nentina natao famotorana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao azy fa izy tokoa no namaky ilay toeram-pivarotana. Niaiky ny heloka vitany izy. Very nandritra izany ny finday iray, vola 470 000Ar ary kitapo nisy lamba. Tsy fantatra kosa izay toerana nanafenany ireto entana halatra ireto.
Jean Claude