Antoko TGV : “Tsy ekena ny fanakorontanana”

“Tsy ekena ny fanakorontanana. Izao ny antony: na inona na inona zava-mitranga na sa­natria na misy korontana eto, hiakatra ny vidim-piainana avy eo. Ho zakantsika ve izany? Efa tsy tia korontana ny ankamaroan’ny olona”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Ana­lamanga, Rasoamaro­maka Hery, manoloana ny fijoroan’ny vondrona Lera. Nola­zainy fa fizarana seza no ambadika.
Mila tanora misolo toerana ny fanaovana politika. Azo atao ny fifampiresahana, ekeny raha mpanohitra tonga ao amin’ny birao milaza ny tsy mety. ”Tsy maintsy miteny hatrany ny olona. Tsy mety kosa raha fitondrana voafidim-bahoaka ka hoe handao hizara minisitera. Tanjon’ny Lera izany. Tsy hitondra tombontsoa ho an’ny firenena. Tonga ny fotoana: raha maharesy lahatra vahoaka izy, mirotsaka hofidin’ny vahoaka.”, hoy hatrany izy.

Hitsara ny vahoaka
“Efa nirotsa-kofidina ve ny mitarika ny Lera sa miandry korontana eto amin’ny firenena hahazoana toerana?”, hoy izy. Izay no tena olana. Fitondrana voafidim-bahoaka izao. Kely sisa ny fotoana. ”Raha hitanareo fa tsy nahavita ny fitondram-panjakana, hotsarain’ny vahoaka amin’ny fifidianana.”; hoy ingahy governora.
Manao antso avo ho an’ny mpitondra izy: “Samia miezaka mafy ao anatin’ny fotoana mba hitsaran’ny olona antsika rehefa tonga ny fifidianana hoe: tena nanao ve?”, hoy izy. Mandalo ny toerana. Mbola betsaka ny azo atao.
”Tadidy ny fikasan’ny fitondrana HVM hikitika lalàm-pifidianana talohan’ny fifidianana, nahatonga ny vahoaka sy ny mpanao politika nimenomenona. Efa izay hatrany no natao hatramin’izay. Manino­na mbola hatao amin’izao? Raha izao no mikasikasika momba ny fifidianana, lazain’ny olona ho zavatra hafa.”, hoy izy nanohy ny fanambarana.
“Ny fanirianay, mbola hitohy ny asa: mbola ho voafidy ihany ny filoha Rajoelina. Avy eo, mifampiresaka amin’izay alohan’ny fotoana lavitra amin’izay hatao manaraka”, hoy izy namarana ny resaka.

R. Nd.

Partager sur: