Notanterahina, tany Bordeaux ny asabotsy 28 sy ny alahady 29 janoary lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritr’i Bordeaux, Frantsa, taranja atletisma anaty efitrano «Elites LANA». Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany, ilay malagasy Randrianasolo Hajatiana, atletan’ny US Talence. Nifaninana teo amin’ny halavirana 60 m ny tovolahy. Norombahany ny medaly volamena. Nahavita fe-potoana tsara indrindra izy. 6 s 76 % ny nahatontosany izany. Tsiahivina fa anisan’ny misongadina amin’ity hafainganam-pandeha ity, i Haja.
Efa maro, araka izany, ireo anaram-boninahitra efa azony. Anisan’ireny, ny naha tompondaka lefitra azy, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, teo amin’io halaviran-dalana io, ny taona 2019. Ankoatra izay, efa tompondaka teo amin’ny fifaninanam-pirenena Oniversite, ho an’ny halavirana 100 m, ary tompondaka lefitra teo amin’ny 200 m, ny taona 2014. Efa tompondakan’i Frantsa, ho an’ny sokajy “Espoir”, teo amin’ny 60 m, ny taona 2015. Ankoatra ireo fifaninanana, natrehiny tany Frantsa efa nihazakazaka tatsy amin’ny Nosy La Réunion ihany koa i Haja ka intelo tompondakan’io Nosy rahavavy io teo amin’ny 60 m sy ny 100 m ary in-4 teo amin’ny 200 m. In-2 tompondakan’ny “regional nouvelle aquitains, teo amin’ny 60 m. Tsiahivina fa zanaky ny Me Haja, mpanazatra ara-batana eo amin’ny taranja ady totohondry, basikety sy baolina kitra ary atletisma, i Hajatiana.
Torcelin