Sahiran-kevitra ny mpikarakara. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni ny herinandro teo, tetsy Alarobia fa mbola iadian-kevitra ny momba ny fifidianana ben’ny Tanàna.
Efa ho tapitra ny fepotoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna, amin’izao fotoana izao. Niaiky ny eo anivon’ny Ceni fa tsy mbola voafaritra ny tetiandro hanaovana fifidianana eny anivon’ny kaominina. Efa mandeha ny tombatombana fa tokony hotanterahina eo anelanelan’ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany sy faharoa izany. “Tsy voadidin’ny lalàna ny tsy maintsy hanaovana izany amin’io fotoana io”, hoy izy. Na izany aza, voalazan’ny lalàna fa ampandeferina ny fifidianana depiote raha mifanindry ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena izany. Tsy voalaza kosa ny eny anivon’ny kaominina, araka ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène. Nanteriny fa tsy afaka miditra na mitsara ny momba izany izy ireo. Anjaran’ny rafitra hafa, tahaka ny HCC ny mijery ny momba izany, araka ny nambarany. “Efa mba nodihininay tokoa io ka misokatra ny adihevitra. Ho fantatra amin’ny fotoana maha mety azy ihany izany”, hoy ihany izy.
Mbola manahirana ny momba ireo Diaspora
Etsy andaniny, mbola ho sarotra ny afahan’ireo teratany malagasy feno taona any ivelany, Diaspora, hisitraka ny zony, hifidy, raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Ando. “Miankina amin’ny lalàna sy ny ho enti manana, toy ny vola sy olona izany”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany koa anefa ny fotoana. Hifarana ary hikatona tanteraka amin’ny volana jona ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Mitaky fanamboarana ny lalàna ny momba izany, araka ny nambarany. “Mila fotoana afahana manao izany raha mbola hanisa ireo Diaspora mpifidy. Vonona hatrany anefa ny Ceni rehefa feno ny fepetra”, hoy ihany izy.
Synèse R.