Anisan’ny manampy betsaka amin’ny famatsiana fanafody any amin’ireo toerana saro-dalana ny fampiasana drone. Hatramin’ny taona 2020, nahavita sidina 2.500 ireo drones amin’ny faritra efatra hampiasana izany.
CSB miisa 88 no vatsiana fanafody amin’ny alalan’ireo drone. Ankoatra izany ny tobim-panafody madinika any anaty kaominina miisa 69 tena alavitra sy miampita rano na tsy tongan’ny fiara mihitsy.
Nahitana vaksiny fampiasa mahazatra amin’ny reny sy ny zaza, fanafody sy fitaovana fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ary fanafody miady amin’ny aretina tazomoka no vatsiana amin’ny alalan’ny drones. Ankoatra ireo ny fanafody hitsaboana ny reny sy ny zaza amin’ny aretina mpahazo toy ny aretim-pivalanana sy ny fanaviana…
Miara-miasa amin’ny fampandehanana ireo drones ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny USAID, sy ny Global Fund ary ny PSI Madagascar.
Famonjena aina ara-potoana amin’ny toerana alavitra indrindra amin’ny sarany mora no tarigetra ka hanaovana ny ezaka rehetra amin’ny fanaparitahana ny fanafody.
Tatiana A