Maro ireo nahatsiaro ny fahazazany vao maheno ny anaran’i Paul Congo… araka ny vaovao nampitain’ny fianakaviany, nodimandry ny marainan’ny asabotsy teo tany Antsiranana i Jaoravoana Paul. Anarana sy feo tsy zoviana amin’ny maro, satria dia raiki-tapisaka ao ampara-hatoka ireo angano notantarain’i Paul Congo. Nanomboka tao amin’ny radio Varatraza Antsiranana, avy eo heno tamin’ny haino aman-jerim-panjakana izy. Mpikaroka, mpitahiry ary mpizara ny vakoka, indrindra ny angano ity andrarezina ity. Mpikabary ary nanorina ny fikambanan’ny mpikabary malagasy faritany Antsiranana ihany koa izy, no mbola filoham-boninahitra hatramin’ny nahafatesany. “Very andrarezin’ny kolontsaina, mpitahiry ny tantara, indrindra ny tantaran’ny farita avaratry ny Nosy isika,” hoy ny filazan-dRakotoson Cerveau azy. Efa lehiben’ny sampandraharahana misahana ny kolontsaina tao amin’ny faritra Diana i Paul Congo, ary naharitra no nitanany izany andraikitra izany.
Ankoatra ny kolontsaina sy ny haino aman-jery, Nampahafantarin’ireo akaiky azy koa fa efa tompondakan’i Afrika tamin’ny taranja ady totohondry ary tompondakan’i Oseana Indiana tamin’ny taranja “catch à 4” izy ny taona 1979. Ny angano anefa no tena nahafantarana azy, izay nahazoany ny medaly volamena ihany koa tamin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahatelo. Tsy nijanona mihitsy tamin’izay fitantarana angano hoan’ny ankizy izay izy, sy ny fizarana ny fahalalany ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina Malagasy, hoan’ireo mpianatra mpikaroka…
Nangonin’i Zo ny Aina