Fitsenana ny Barea de Madagasikara : nisy ny torana, zaza very, mamo toaka diso tafahoatra

Niombom-po sy naneho hafaliana ny olona rehetra, omaly tamin’ny fandraisana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha teo amin’ny lafiny fitandroana ny filaminana, niantrana teny amin’ireo lalana nandalovan’ny mpilalao hatreny Mahamasina ny mpitandro filaminana. Hentitra ny fitandroana ny filaminana nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Samy nanao izay ho afany koa ny rehetra satria andro iray niavaka ny andro omaly. Manoloana izany indrindra, araka ny tatitra voaray teny anivon’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andria­na­va­lona (HJRA), tsy nisy aloha ny olona naratra na na­moy ny ainy nandritra ity lanonana ity. Ireo olona toran’ny hanoanana (teny Maha­masina satria tsy nisakafo) sy mamo noho ny fisotroana toaka diso tafahoatra ny ankamaroan’ireo nandalo tao amin’ny sampana vonjy taitra. Misy amin’ny mamo no torana tsy mahatsiaro tena. Voa­tery tsy maintsy manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly. Ny sasany indray vao nahazo fitsaboana dia afaka nody.
Ankoatra ireo, nisy ny naratra (ratra maivana) vokatry ny hafaliana ka nifanositosika nandritra ny lanonana tao Mahamasina. Nahitana lo­zam-piarakodia teny amin’ny lalam-baovao Ambohitriman­jaka, omaly antoandro. Voala­za fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy na na­ratra fa potika tanteraka ny lohan’ny fiara.
Zaza iray no very tao Ma­hamasina nandritra ny lanonana. Tsy hita izay nanjavonan’ny reniny saingy tonga ihany izy naka ilay zaza rehefa nanaovana antso avo. Nilaza ho variana nivarotra izy ka tsy hita tampoka ny zanany.

J.C

Partager sur: