Halatra taova : tovovavy roa hita faty niala maso

Raha efa somary nangingina, niverina indray ny halatra taova any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Tovovavy roa hita faty tsy nisy maso intsony…

Habibiana tsy roa aman-tany no niseho tao Bekily, omaly. Tovovavy miisa roa, 17 sy 20 taona no hita faty natsinge­van’ny ranon’i Menarandra tokony ho tamin’ny 11 ora teo. Novonoina izy roa vavy, samy nalana avokoa ny masony. Hatramin’izao tsy fantatra ireo nahavanon-doza namira ny haton’izy roa vavy ireto. Anatin’ny famotorana lalina kosa ny zandary ao an-toerana. Fantatra fa avy any Am­panihy andrefana sy Anka­ra­nabo Bekily izy ireto. Na­monjy tsena tao Bekily ny anton-dia saingy niafara ta­min’izao ny zava-nisy. Nave­lan’ireo nahavanon-doza kosa ny lelany. Tsiahivina fa tsy vao izao no misy tranga tahaka izao. Isan’ny lasibatra matetika ny zaza varira, any atsimo. Na teo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana, tsy mety ahitam-bahaolana maharitra mitovy amin’ny halatra taolam-paty sy ny varira ity resaka halatra taova ity. Hatreto aloha tsy mbola fantatra mazava hoe hatao inona marina ireny taovan’olona ireny, saingy maro ireo olona efa nitondra faisana amin’ireo mpanao trafikana taova indrindra fa ny ankizy.

Henintsoa H.

Partager sur: