Kianjaben’ny Mahamasina : ahina ho simba ny bozaka filalaovam-baolina

Velona ahiahy ireo mpilalao sy ny mpankafy baolina ki­tra malagasy, amin’izao fo­to­ana izao. Nohon’ny habetsahan’ny olona tonga tetsy amin’ny kianjaben’ny Ma­ha­ma­sina, omaly alahady, navelan’ny tomponandraikitra ni­ka­rakara ny lanonana, hitsahina ny bozaka filalaovam-baolina. Nitsinjaka teo ireo va­ho­aka an’arivony ka ahina ho simba izany bozaka izany, izay tsy bozaka avy eto Madagasikara fa nafarana avy atsy Afrika Atsimo. Afaka iray volana, ny 21 marsa ho avy izao, handray an’i Cen­tra­frique eo amin’ny fifanintsanana ny Can 2023, ny Barea. Tsiahivina fa efa nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf sy ny Fifa, io kianja Barea io ka afaka hampiantrano izany lalao fifanintsanana izany.

Mi.Raz

Partager sur: