Rajoelina Andry: hisy fifaninanana isam-bolana eo amin’ ny kianja Barea

«Hikarakara fifaninanana isam-bolana isika izay ha­tao eto amin’ny kianja Barea ny lalao famaranana», hoy ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, omaly tetsy Mahamasina. Nomarihiny fa mendrika loatra ny zava-bi­tan’ireo mpilalao, izay ekipa roa sangany, efa manana ny toerany aty Afrika ny hany teo alohan’ny Barea dia i Sénégal sy i Algérie. “Efa natoky ny tenako, fa ho lasa lavitra ny Barea, ka nahatonga ahy nanamboatra ity kianja ity”, hoy hatrany ny filoha. Tamin’ny 2019, sambany nandray anjara voalohany tamin’ ny CAN ny ekipam-pirenena, avy hatrany dia tonga teo amin’ny ampahefa-dalana.
Tamin’ity indray, vao voalohany no nanao CHAN isika, tonga tany amin’ny manasa-dalana. Manantena ny tenako, hoy Atoa Rajoelina Andry, fa mbola ho rombahantsika ny amboara afaka taona vitsy, ary hanao “Mondial” ny Barea. Tsy nanadino nisaotra ireo mpilalao ny Filoha ka nosinganiny manokana, i Koloina sy i Jean Yves ary i Tsiry ni­ampy an’i Nina sy i Rôrô, mpanazatra.

Mi.Raz

Partager sur: