Voasambotry ny mpitandro filaminana ny roa lahy mpamboly rongony tao amin’ ny tanànan’i Beamalombe, 30 km atsinanan’ny fokontany Doany, distrikan’Andapa ny faran’ny volana janoary teo. Naharay antso ny zandary fa mikirakira sy manaparitaka io karazan-java-mahadomelina io izy ireo. Nisy ny fidinana ifotony, sarona tao amin’ny toerana voatondro ny telo lahy. Rakotra rongony ny tany mirefy 1 ha tao amin’ny nahitana azy ireo. Nosamborina ny roa lahy. Tsy hita ny nalehan’ ny iray hafa. Niroso tamin’ny fisamborana ny zandary. Natao fanadihadiana azy mirahalahy. Niaiky ny heloka vitany. Taorian’ny fampanoavana, nidoboka am-ponja izy ireo.
Tsiferana R.