“RDJ Mozika”: Mad Max, “Mpanakanton’ny taona 2022”

Zava-dehibe hoan’ireo mpanakanto ny fankasitrahana… Mandrisika azy ireo hanome ny tsara kokoa hatrany ny antom-pisian’ny “RDJ Mozika”. Hoan’ny andiany 2022, nibata ny sokajy misongadina indrindra i Mad Max.

“Mpanakanton’ny taona 2022”. La­san’i Mad Max izay anaram-boninahitra anisan’ny nandrandrain’ireo mpanakanto maro izay, nandritra ny “RDJ Mozika 2022”. Tontosa ny alin’ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny CCI Ivato ny lanonana manetriketrika nanomezam-boninahitra ireo mpanakanto sy ny sanganasany. Tsy sokajy nifaninanana ka nandraisan’ny mpankafy anjara tamin’ny fifidianana akory ny “Mpanakan­ton’ny taona”, fa avy amin’ireo ma­son-tsivana marobe napetraky ny mpikarakara no nivoahan’izany. Raha tarafina tamin’ny zava-bitan’ity mpanakanto ity nandritra ny taona 2022 kosa, mendrika azy izany, raha tsy hiteny afa-tsy ny isan’ny fampisehoana vita sy ny isan’ny hira ankafizin’ny maro fotsiny.
Toa ny isan-taona ihany koa, manome voninahitra ireo mpanakanto zokiny nametraka tantara ireo mpikarakara. Ni­antefa tamin’ny tarika Iraim­bilanja ny safidy tamin’ity, ka izy ireo no “nahazo ny “Tro­phée d’honneur”. Ho­an’ny vao misandratra kosa, mendrika ihany koa ny FDC Mozika raha nambara fa “Révélation”, satria dia anisan’ireo tarika miaka-daza hatrany, indrindra nanomboka tamin’iny taona lasa iny izy ireo.

Nangonin’i Zo ny Aina

Ireo nibata ny amboara isan-tsokajy:

Artiste de l’année 2022: Mad Max
Titre de l’année 2022: “Very jery » (Rim-Ka)
Révelation : FSC Mozika
Trophée d’honneur: Iraimbilanja
Coup de Coeur RDJ Mozika 2022: “Fotsy hely” (Oza Jerôme & Sreydan)
Meilleur Lyrics: Literatelo (MBL)
Meilleur look masculin: Ariane
Meilleur look feminine: Johane

Spéctacle de l’année 2022: “Misaotra ‘Nary” – Tarika ‘Zay Palais des sports
Mozika afro Masculin: “paradisa” (Ceasar)
Mozika afro groupe: “Voay” (Mr Sayda – Prins Aimiix – Donna)
Mozika Afro feminin: “Omeko anao ny mahereza” (Tence Mena)
Mozika akostika: “Tomany irery” (AmbondronA)
Mozika Chill: “Milokoloko” (Steph Rambi)
Mozika collaboration Milamina: “azafady” (Jacquis Randria – Njara Marcel)
Mozika Collaboration Mihetsika: “Mam’zel” (Mig Mj & Mad Max)
Mozika Diaspora: “Nanignenako” (JS Twins)
Mozika EDM: “Tsara laoka” (Tsôta)
Mozika Fiderana: “Livraison” (Rija Rasolondraibe)
Mozika cover milamina: “Mampamangy” (Marghe/L Saphira)
Mozika mafana: “Werawera” (Basta Lion)
Mozika milamina masculin: “Mahere” (D-Lain)
Mozika milamina feminin: “Zanako” (Denise)
Mozika Pop: “Tomorrow koa day” (Ayam)
Mozika rap: “Ahiahy” (Agrad)
Mozika Ragga dancehall: “Darling” (Rootsman)
Mozika Rn’B: “Tsy nenina” (Johanne)
Mozika Rock: “Ilay kintana” (Mirado)
Mozika tropical masculin mihetsika: “Mon amour taloha (Wada sy Youngs)
Mozika tropical masculin milamina: “Ngoma” (L-Jo)
Mozika tropical feminin: “Hilefa” (Joyce Mena Makoa)
Mozika variété: “Masina” (Nate Tex)
Mozika variété mihetsika masculin: “Sesily” (Oladad)
Mozika cariété mihetsika feminine: “Tsy fotsy varavarana” (Stéphanie)
Mozika miaina: “Viavy rozi” (Olombelo Ricky)

Partager sur: