Toherin’ny fanjakana ny fivarotana ny tanin’ny orinasa iray ao Sahambavy Fianarantsoa. Nivoaka nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahina ny alarobia 1 febroary 2023, ny fanapahan-kevitry ny fanjakana mahakasika ity raharaha ity. Ity orinasa ity izay hanaovan’ny fanjakana malagasy petra-bola 100%. Manana fahefana feno, araka izany, ny fanjakana hanao izany fanoherana izany amin’ny alalan’ny ministeran’ny Toekarena sy fitantanam-bola.
Ny taona 1992 no nisy ny fifanarahana teo amin’ny orinasam-panjakana sy ny orinasa tsy miankina, samy misehatra ao amin’ny fanodinana ravim-boafotsy, ny amin’ny fampanofana ny tanin’ity orinasam-panjakana ity sy ny fitaovana eo amboniny. Maharitra 50 taona ny fifanarahana tamin’izany fotoana izany. Mahatratra 850 hektara ny velaran-tanin’ity orinasa ity. Velaran-tany izay misy voly fanodina fanaovana “Dité”. Ankehitriny, mangataka ny hivarotana aminy ny tany ny orinasa tsy miankina, izany nanofa ny tany hatrizay.
Lin (Mpianatra asa)