Toamasina: telo lahy nanendaka mpianatra voasambotra

Nanendaka mpianatra nirava, tra-tehaky ny polisy ny telo lahy nitondra antsy teo am-panaovana ny asa ratsiny tao Tanambao Verrerie, ny harivan’ny asabotsy 4 febroary teo.

Niandry ny firavan’ny mpianatra, efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina izy ireo. Teo am-panatontosana ny fanaraha-maso ny filaminan’ny tanàna ny polisy tamin’izay. Nikasa handositra ireo olon-dratsy. Raikitra ny fifanenjehana ! Voasambotra tsy lavitra teo ry zalahy niaraka tamin’ny finday halatra ma­romaro. Nibaboka izy ireo fa nangalariny tamin’ny mpianatra nirava izany. Natolotra ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny raharaha.

Nidoboka etsy Antanimora…
Mpanendaka roa lahy hafa kosa, nidoboka etsy Antanimora ny zoma 3 febroary. Nanendaka mpifankatia teny Ampefiloha-Imeritsiatosika ny volana no­vambra 2022 izy ireo. Na­metraka fitoriana ireo lasibatra, tamin’izany. Ni­roso ta­min’ny fikarohana sy ny fa­nadihadiana ny mpitandro filaminana. Voasambotra izy roa lahy ka natao fanadihadiana. Nahitana finday roa, vola nitetina valo alina, karatra banky teny amin’ireto mpanendaka. Taorian’ny fitsarana, nidoboka am-ponja izy ireo. Naverina tamin’ny tompony ny entana very.

Tsiferana R.

Partager sur: