Naneho hevitra ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile, mikasika ny lalana eto amintsika. Nambarany, fa “latsaky ny 30 taona avokoa ny faharetan’ny lalana eto amintsika, ankehitriny. Tokony ho manodidina ny 40 taona anefa vao ho simba ny lalana, raha ampy tsara ny fikojakojana azy. Tsy mipetraka ny kalitaon’ny fanamboaran-dalana eto amintsika, sady mora loatra ny tetibola omen’ny fanjakana ny orinasa manao ny asa”. Nomarihiny koa fa tsy hajaina ny lanja zakan’ny lalana, tokony hataon’ny fiara vaventy mpitatitra entana. Etsy ankilany, tsy ampy ny sambo na ny lalamby mitatitra entana mavesatra (vy, simenitra, vary, siramamy, solika, …), ka lasa entin’ny fiara daholo, miainga any Toamasina mankaty Antananarivo. Mila mifanandrify amin’ny hatevin’ny lalana, ny vesatra. Tsy tokony hihoatra ny 30 taonina ny fetran’ny lanja azo entin’ny kamiao, nefa misy efa mahatratra 40 taonina.
Mampihemotra ny mpamatsy vola vahiny
Notsindrin’ny jeneraly Tsaranazy J.E., fa tokony misy ny fikojakojana ny lalana mari-potoana, isaky ny 5, 10 ary 15 taona. “Mila hajaina ireo fepetra ireo, raha te hanana lalana maharitra isika. Sady mampihemotra ny mpamatsy vola vahiny ny fahapotehan’ny lalana matetika”, hoy ihany izy.
Misy ny Tahirim-bola hikojakojana ny lalana (Fond routier), azo avy amin’ny fividianan’ny mpanjifa solika. Nomarihiny anefa fa “toa lasa any amin’ny zavatra hafa io vola io”.
Mino ( mpianatra asa)