Aft Andavamamba: tanjona ny famaliana ny filàn’ny tanora

Efa vina napetraky ny Alliance Française, hatramin’izay ny fitaizana sy fanabeazana, indrindra ny tanora. Misy ny hetsika ara-kolontsaina maro ho fampiroboroboana izany.

Tontosaina eny amin’ny Alliance Française d’An­tananarivo na AFT Andavamamba ny “Festival Amours en Mots”. Hetsika karakarain’ny AFT, nanomboka ny 30 janoary 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 17 fe­broary 2023. Hahazo vahana manokana ny mpamaky boky, indrindra izay tia boky mirakitra tantaram-pitiavana. An­koatra ny resaka boky, maro ny hetsika mandravaka ity “Festival Amours en mots” ity.
Sambany no nisy hetsika lehibe sahala amin’izao, nokarakarain’ny AFT. Fetin’ny boky romantika voalohany ny “Festival Amours en mots” ho an’ity ivotoerana ity. Mizara roa mazava tsara ity hetsika lehibe ity. Ny 31 janoary 2023 hatramin’ny 14 febroary 2023 no handehanan’ny fifanina­nana. Ny fifaninanana “Ta plus belle déclaration d’amour” no atao mandritra izany. Fi­faninanana izay ahazoana loka avy amin’ny mpikara­kara. Ny 14 hatramin’ny 17 fe­broary 2023 kosa no hanaovana ny fifampizarana sy fam­piran­tina. Ao anatin’izany ny fanatanterahana ny fitsidihana ny toerana sy fizarana ary fi-fampizarana boky. “Fano­mezana izay ilainy sy fanatanterahina ny tiany, in­drindra ny tanora no nanaovana izao hetsika lehibe izao. Natao izao hetsika izao ho fampiroborobona ny kolontsaina sy ho fanampina ny tanora ho tia mamaky boky.” hoy ny tomponandraikitra mpi­karakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: