Alakamisy Fenoarivo: jiolahy roa lahy rotiky ny bala

Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Antanety II, kaominina Alakamisy Fe­noarivo ny alahady maraina teo. Maty teo am-pandosirana ny jiolahy roa. Telo lahy Nilanja varavaram-by roa izy ireo no niaraka. Nifanehatra tampoka tamin’ny zandary nanao fisafoana ny olona telo lahy. Nangataka hanao fanamarinana ny entana teny amin’izy ireto ny mpitandro filaminana. Teo amin’io fotoana io indrindra, namoaka basy poleta teny aminy ny iray tamin’ireo jiolahy. Nitifitra avy hatrany ity farany. Mailo ny zandary ka tsy voa. Niezaka nampitandrina ny olon-dratsy ny mpitandro filaminana, saingy tsy nisy nijanona.
Vokany, maty ny jiolahy roa, tafaporitsaka ny namany iray. Natao ny fitsirihana ny entana halatra teny amin’izy roa lahy lavo. Hita teny amin’izy ireo ny varavarana halatra kopa-droa niampy basy poleta iray vita gasy sy fitaovam-pamakiana trano. Tetsy ankilany, nifampikarohana tao anatin’ny haizina ilay jiolahy iray nandositra.
Mampitandrina ireo minia manao asa ratsy toy izao ny zandary ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: