Hiditra amin’ny andiany fahefatra amin’ity ny « Amitié Evangélique Awards ». Araka ny anarany, hetsika hankasitrahana ireo mpanakanto mpivoy ny fiderana an-kira tamin’ ny sanganasany nisongadina nandritra ny taona izy ity. Mpikarakara izany ny Amitié TV. Fantatra fa sokajy 14 no hifaninanana amin’ity, raha 10 izany tamin’ny taon-dasa. Ny antony, miankina amin’ny hira navoakan’ireo mpanakanto sy ny safidin’ny karazan-gadona ary ny zava-bitan’ny mpanakanto na tarika na antoko mpihira izany.
Efa nanomboka ny fifidianana isan-tsokajy. Ao amin’ny pejy « facebook » : « Amitié Evangelique Awards » no hanaovana izany. Safidy iray isaky ny kaonty iray no manankery. « Safidy amin’ny fitiavana fa tsy fifaninanana satria ny hira fiderana dia tsara daholo fa misy fotsiny ny mampiavaka ny tsirairay avy », hoy ny mpikarakara. Sokajy 13 no tena hisafidianana, fa natao hanomezana izay heverina ho « Mpanakanto evanjelika ho an’ny taona 2022 » kosa ny sokajy farany.
*
Nangonin’i Zo ny Aina
Ireo sokajy hisafidianana :
Music urban evangélique : « Mbola hidera Anao » (Fallyon) – “Fiderana mahery” (Dida sy Tahina) – “Tsara loatra” (Jim Praise & Dwayne Ali) – “Miandry anao” (Haintso Agape)
Révélation évangélique: “Fanahy Masina” (Micka Love’J) – “aza kivy” (Liantsoa Gabriel) – “Ny finoana fihino” (Manda Andriamahaly) – “Misaora Azy” (Elia) – “Tsy mendrika” (Mickael Randriambololona) – “Finoana mahery” (Joaba).
Chorale: “Vadiko tiako” (Ampifitia) – “Neniko lasa” (Koraïta) – « Hafa ny taloha » (Tanora Masina Itaosy) – “Manantena” (Feon’i Fialofana) – “Mitrakà” (Ny antsan’ny Famonjena)
Fiderana mafana (Génération 1): “Mandroso” (Isaac de Paul) – “Assurée” (Mizara fitia) – “Tsy maintsy mandresy” (Gasy Tsara Midera & Rojo Ny Avo) – « Fanomezana goavana » (TDL) – “Ndao hiaraka aminay” (Ariane & Joseph D’Af) – “Hifikitra hatrany” (Groupe Ba) –
“Tsy diso anjara” (GM3) – “Aza manary toky” (Zarah) – “Vita Sonia” (Honoré)
Fiderana mafana (Génération 2): “Aza gaga” (Mamitiana) – “Premier invite” (Tafiray) – “Taranaka voafidy” (TFI), “Midera an’i Jesosy” (Yandry Bat) – “Efa pare” (Notiaviko sy Liantsoa).
Gospel: “Gasikara” (Jaws Band) – “Tena mila anao Jesosy” (Life Gospel) – “Maniry aho” (Lovatiana) – “Am-paradisa” (Tana Gospel Choir) – “Mahazaka tragno” (Feon’ny mpandresy) – “Jeso eo aminao” (Jam Gospel) – “Avy aminao ny fitahiana” (Klarys & FMC Gospel).
Worship prise live: “Tena fitiavana” (Joseph D’Af) – “Jireh” (Christ Ambassador) – “Avia fanahy masina” (Shiyr) – “Indro ny fanjakanao” (Rija Rasolondraibe)
Variété évangélique: “Efa ho avy Jesosy” (Honore) – “Banjino” (Fredson) – “Zaho mbola matoky anao” (Ny Fanilo & Rojo Ny Avo) – “Tsy hatahotra aho” (Ariane & Isaia)
Cover dance évangélique: “Hihira aho” (Shiyr & Anyah) – “Isaoranay” (Joy) – “Dibo-kafaliana” (Yoon & Tahiana) – “Yaweh” (IFK) – “Jesosy fahendrena sy harena” (Enokk)
Spectacle évangélique: Joseph d’Af (10 ans de scène Palais des sports) – TDL (Best of Antsahamanitra) – Rija Rasolondraibe (Coliseum) – Ny Koraita (Palais des sports) – Tanora Masina Itaosy (Canal Olympia).
Meilleur clip : « Dada » (Rova) – « Iza moa aho » (Jaja) – « Zanaka Adala » (GFK) – « Baba ô! » (Antsa an’i Kristy) – « Anilanao mandrakizay » (Toky Fitia & Jao)
Fiankohofana Fanandratana : « Fanahy masina » (Jaws Band) – « Fanahy masina » (Pepe Shine) – « Mila fanavaozana » (Les Adeline) – « Nalainao lavitra » (Rija Rasolondraibe).