Anosy sy Androy : tojon’ny kere mandavantaona

Nozahan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Anosy sy Androy ny olana momba ny kere any an-toerana. araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika. Anisan’ ny laharam-pahamehana ny famatsiana ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN) any amin’ny faritra hamahana ny olana sy hanamorana ny fizarana izany amin’ny vidiny ara-drariny. Nandritra izany fotoana izany, nohararaotina ny fandalovana amin’ny seranan-tsambon’ny Ehoala, nandraisana kaontenera 150, izay tsy ho tapaka isaky ny telo volana. 75 % tamin’ireo PPN ireo no tonga tao amin’ny seranan-tsambo. Hatao izay fomba rehetra hizarana izany ara-drariny ho an’ireo faritra roa ireo.
Fepetra noraisina koa ny fiarovana ny mpanjifa, nizahana ireo entana any amin’ny mpamongady, fizahana natao tampoka. Hita ary nakatona ireo tranombarotra lehibe tsy manana antontan-taratasy. Nisy koa ny fihaonana tamin’ireo mpanao asa tanana, nifanakalozan-kevitra, hitadivana lalam-barotra. Namaranana ny fotoanany fitsidihana ny orinasa mpanodina vokatry ny fambolena, anisan’ny vahaolana amin’ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo.

Ndrina

Partager sur: