Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka tanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hotanterahina eny Anjanahary, boriborintany fahadimy indray ny hetsika ara-pahasalamana faobe manomboka anio hatramin’ ny zoma 10 febroary izao. Ho hita amin’izany ny fitiliana diabeta, ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny covid-19, ny fizahana maso maimaimpoana sy fivarotana solomaso amin’ny vidiny zakan’ny rehetra. Misy ny fandanjana zaza sy ny toro-hevitra mikasika ny sakafo sahaza azy.
Hiavaka ny fiahiana ara-tsosialy. Misy ny sehatra fihainoana sy tantsoroka ara-tsaina ho an’izay mila izany. Manome toro-lalana sy hanao fanaraha-maso ho an’ireo tratran’ny rarin-tsaina sy mila tohana koa ny manam-pahaizana manokana ho amin’izany.
Misy toy ny mahazatra ny fizaham-pahasalamana amin’ ny ankapobeny, ataon’ny dokotera. Arahana fanomezana fanafody mifandraika amin’ny aretina. Tsy hadino ny ny fanentanana amin’ny fandrindram-piterahana, ny fitiliana ny VIH/Sida ary ny fitsapana ny tosi-dra izay mahaliana ny maro.
Mitety ireo boriborintany enina ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, tanterahin’ny CUA ka anjaran’ny eny Anjanahary, boriborintany V indray izao.
Tatiana A