Eran-tany

« Tsy toeram-pitrandrahana na tany horombahina i Afrika », hoy ny Papa François tany Kinshasa, renivohitr’i RDC. Nanambara izany ny Papa noho ity firenena ity manana harena an-kibon’ny tany isan-karany sy tany mamokatra nefa ny mponina 100 tapitrisa ao aminy miaina ao anaty fahantrana. Manampy izany, mbola anjakan’ny ady an-trano lava ity firenena ity. Betsaka ny mpitsoa-ponenana sy ny ankizy maro tsy miditra an-tsekoly.

Tokony hisondrotra 3,5 % ny harinkarena faobe aty Afrika amin’ity taona ity, ary 3,9 % amin’ny 2024. Ny any Afrika atsinanana mety hahita 4,5 % amin’ity taona ity, ary 5 % amin’ny 2024. Etsy an-daniny anefa, noho ny fitantanana tsy manjary, an-tapitrisany maro ny Afrikanina latsaka anaty fahantrana, indrindra tojon’ny tsy fahampian-tsakafo. Mahazo laka koa ny kolikoly amin’ny firenena maro.

Aorian’izao Covid-19 izao, haingana indrindra ny fitombon’ny harinkarena any Chine tao anatin’ny 25 taona, mahatratra 4,6 % amin’ity taona ity. Mitombo, araka izany, koa ny fidiram-bola isan’olona, manatombo avo dimy heny. Ny fanatsarana ny fambolena sy ny fitsinjaram-pahefana eo amin’ny fitantanana, eo koa ny politika fanalalahana. Tsy nisokatra ny toekarena tany China tamin’ny taona 70, ankehitriny izy no manana tanjaka ara-toekarena goavana indrindra eran-tany.

Tamin’ny 202, 160 tapitrisa dolara isan’andro no tsy niditra tamin’i Moscou. Samy nampiharan’ ny Vondrona eoropeanina fahirano ny karazan-tsolika rehetra (voadio sy tsy voadio) any Rosia . Tsy nampihemotra ny Rosia amin’ny ady any Ukraine anefa izany, na mamparefo ny toekarena rosianina aza. Ry zareo Tandrefana kosa manantena fa tratra ny tanjona. Ny fahirano natao voalohany nanafoana 2 hatramin’ny 3 tapitrisa barils isan’andro eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Partager sur: