Fanararaotana ara-nofo: tsy ampy ny sazy ho an’ny voaheloka

Maivana ny sazy ho an’ny olona voaheloka noho ny fanararaotana ara-nofo eto amintsika, hoy ny governemanta amerikanina . Mila havaozina ihany koa ny antontan’isa.

Tsy hita soritra loatra ny ezaky ny Malagasy amin’ny fampiharana ny lalàna mandrara ny fa­nondranana olona an-tsokosoko sy ny fanararaotana amin’ny endriny maro. Mana­meloka ny fanararaotana ara-nofo sy ny fanararaotana ny mpiasa ny lalana 2014-040. Raha olon-dehibe no niha­ran’izany, roa hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina, miampy lamandy 1 tapitrisa Ar hatramin’ny 10 tapitrisa Ar ny sazy azon’ny mpandika lalàna. Sazy roa hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina, sy lamandy 2 hatramin’ny
20 tapitrisa Ar kosa raha an­kizy no lasibatra.
Araka ny tatitry ny go­vernemanta amerikanina, tsy ampy ny sazy omena ny meloka. “Ny zava-misy, raha ny heloka noho ny fanararaotana ankizy ara-pananahana izao dia mitovitovy amin’ny sazy azon’ny olo-meloka noho ny fanolanana ihany”, hoy ny fanjakana amerikanina.
“Tsapa ho maivana kosa ny sazy azon’ny olo-meloka noho ny fanararaotana ara-nofo nihatra tamin’ny olon-dehibe na ny mpiasa raha oharina amin’ny heloka bevava hafa.”, hoy hatrany ny tatitra.
Ilaina ny fanamboarana sy fanavaozana ny lalàna momba ny fanararaotana ara-nofo sy ny fanondranana olona an-tsokosoko eto Mada­gasikara. Lalàna izay tsy voakitika, nandritra ny fo­toana nanaovana ny tatitra.

Mila havaozina ny antontan’isa

Notsindrian’ny amerikanina ihany koa, tokony hisy hatrany ny fanavaozana ny antontan’isa sy ny angom- baovao iraisan’ireo ministera maro voakasika. Mila ampitaina eo anivon’ny biraom-pirenena miady amin’ny fanondranan’olona an-tsokosoko izany saingy tsy nisy na tsy ampy. Lesoka mite­raka fahasarotana eo amin’ny fanamarinana ny antontan’ isa sy ny tatitra mahakasika ny fampiharana ny lalàna. Voalaza fa 30 ny tranga fanararaotana hita tao anatin’ny herintaona raha 24 teo aloha. Trangana fanararao­tana ara-nofo nihatra tamin’ ny olon-dehibe ny 24 tamin’ ireo 30. Tranga fanararao­tana amin’ny ankapobeny ny enina.
Nanao fanadihadiana sy famotorana hafa tamina olona 59 ny amerikanina. Tsy voamarina anefa, na fanararaotana amin’ny fanerena hanao asa an-terivozona na fanararaotana ara-nofo. Tsy fantatra ihany koa raha nisy nisazy na tsia tamin’ny olona nohadiha­diana. Ta­min’ny tatitra teo aloha, olona valo no voarohirohy ary roa voaheloka.
Nomarihan’ny tatitry ny amerikanina ny fisian’ny mpampahalala vaovao nilaza fa nandalo teo anivon’ny fitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC ny raharaha fanararaotana ara-nofo natao tamin’ny tovovavy mpiasa an-trano iray.
Teo koa ny vaovao momba ny raharaha nandalo tao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany mahaka­sika teratany vahiny iray mampiasa ramatoa sy tovovavy amin’ny asa fanararaotana ara-pananahana.

Tatiana A

Partager sur: