Fankasitrahana ny Chan 2022: nampihantain’ny Telma ny Barean’i Madagasikara

Ho fisaorana ny Barea de Madagascar tamin’ny zava-bitany nandritra ny fifaninanana Chan Algerie 2022, notoloran’ny Telma vola 136.000.000 Ar sy finday avo lenta miisa roa avy izy ireo omaly, teny Andraharo.

Nahazo lelavola 4.000.000 Ar sy finday avo-lenta SAMSUNG S22 sy A22 tany amin’ny Telma avy ireo olona 34 tao anaty delegasionan’ny Barean’ i Madagasikara. Lanonam-panolorana izay notanterahina teny Andraharo, omaly. Natao ho fankasitrahana ny zava-bitan’ny Barea nandritra ny fifaninanana Chan Algerie 2022 izany.
Ankoatra izay, notoloran’ ny Telma tolotra interneto “abonnement 25 Go” mandritra ny iray taona avy izy ireo. Tsiahivina fa teo amin’ny laharana fahatelo no misy an’i Barea tamin’ny Chan ary nahazo ny medaly alimo izy ireo tamin’izany. Ny ekipan’ ny Lion de teranga Sénégal, tompondaka ny Chan Algerie 2022, ihany no nandavo azy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0, teo amin’ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana.
Tsiahivina fa 15 taona izay ny Telma no nanohana hatrany ny kitra malagasy. Ary hatramin’izao ny Telma dia miara-miasa amin’ny Fede­rasiona Malagasy ny baolina-kitra (FMF).

Fitia (Mpianatra asa)

Hoy izy ireo :

“Amin’ny maha mpanohana ofisialy ny Barea, ny orinasa Telma dia faly miarahaba ny Barea nohon’ny dingana vitany nandritran’ny Chan 2022 izahay. Mendrika ho tolorana fankasitrahana sy fisaorana mitafotafo ny Barea. Ny orinasa Telma dia tsy mitsahatra ny manohana ny taranja bao­lina kitra eto Madagasikara. Misaotra
betsaka tamin’ny zava-bitanareo Barea ny Telma.” hoy i Patrick Pisal Hamida, tale jeneralin’ny orinasa Telma.

“Misaotra tanteraka ny Telma izahay ato amin’ny FMF, tsy mitsahatra ny manohana sy miezaka manome ny tsara indrindra ho an’ny baolina kitra izy ireo.” Fa­nambarana nataon-Andriamatoa Alfred, filoha lefitrin’ny FMF.
“Mankasitraka hatrany ny Telma izahay. Izy ireo hatrany no namaly ny antso voalohany rehefa nangataka fanampiana izahay Barea. Ary mino sy manantena
fa hitohy foana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Telma sy ny kitra malagasy.” hoy i Rakotondrabe Romuald Félix na Rôrô, mpanazatra ny Barea Chan.
“ Faly tanteraka ny tenako. Misaotra ny Barea hatrany izahay Alzerianina tamin’ny lalao rehetra nasehony. Mino aho fa hihamafy hatrany ny fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy i Alzeria, taorian’ ilay fifindran’i Koloina ao amin’ilay kioba goavana Mouloudia Alger FC iny. Misao­tra betsaka Barea.” hoy i Sem Malek Djaoud, masoivoho an’i Alzeria eto Mada­gasikara.

Hanome vola 150 Tapitrisa Ar ny Barea ny FMF

Araka ny fanambarana nataon’ Andriama­toa Alfred, efa nanomana “primes” ho an’ny Barea, izay mahatratra 150.000.000 Ar ho an’ny Barea ny eo anivon’ny FMF.
Ankoatra izay, mbola i Nicolas Dupuis no mitantana ny Barea A hatramin’izao. Izy ihany no tafiditra anatin’ny fifanarahana teo amin’ny FMF saingy efa nandefa fangatahana momba ny fiantsoana mpilalao sy ny tetiandro amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana CAN any amin’ny mpanazatra ny FMF, izay maniry ny hisian’ny fotoana malalaka kokoa hanomanana.

Partager sur: