Sompitra voalohany ho an’ny faritra Menabe ny lemak’i Dabara. Mahatratra 18.360 ha ny velaran’ny tanimbary any an-toerana, ary mahavita mamboly vary indroa isan-taona ny tantsaha. Azo atao aza ny mamboly fanintelony, saingy tsy ampy ny rano, tsy mahasahana ny lemaka rehetra. Hetahetan’ny tantsaha hatry ny ela, ny hanarenana ny tohodrano sy ny fitantanana ny rano, satria izany no fototry ny hahazoana voka-bary tsara.
Misy ny tetibola fanampiny, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 10 janoary 2023 teo, hoentina manarina ny tohodrano sy ny velaran-tanin’i Dabara. Ao anatin’ny asa hatao koa ny hanarenana ny lakandrano mirefy 52 km sy ny fikojakojana mifandraika amin’izany. Isan’izany ireo lakandrano madinika misampantsampana avy amin’ity lehibe ity.
Tafiditra ao anatin’ny fampiasambolan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ity tetibola ity, ao anatin’ny Tetikasa vaovao ho fisandratana (NPE). Entina hanatanterahana sy hanatrarana ny velirano faha-9 izany.
Mamatsy ny distrikan’i Mahabo, Miandrivazo, Morondava, sy ireo kaominina maro any amin’ny faritra Menabe ny lemak’i Dabara.
Njaka A.