Fiatrehana fifidianana: mbola mifampiandry ireo ho kandidà filohan’ny Repoblika

Hatramin’izao, iray no nanambara ampahibemaso fa ho kandidà filohan’ny Repoblika. Mifampiandry ireo mpanao politika? Na miandry ny fotoana farany… Mba mivoaka ahay ny tetiandrom-pifidianana. Paipaika sy kajikajy politika avokoa izany.

Eo, ohatra, ny manantena ny mety hisian’ny fi­kaonandoham-pire­nena. Mety hanova zavatra betsaka izay? Tsy mitsahatra miketriketrika ny hisian’izany ny sasany. Eo, koa, ny mamen­drofendro ny mety hisian’ny korontana mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana, raha tsy hialohavana fifampidinihana.

Tsy vitan’izay, foronina ny karazana vondrona na vovonana mitaky izao na izatsy. Anisan’ny miverimberina amin’izany ny fanamboarana ny mpikamban’ny HCC sy ny Ceni. Na fanitsiana ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana. Nefa iray ihany ny atidoha na ny miketrika ireny karazana hetsika ireny, na lavitra na akaiky.

Ao ny manao fitan-droa: mitaky hisian’ny fikaonandoham-pirenena etsy sy eroa, manomana koa ny fiatrehana fifidianana. Tonga hatramin’ ny hoe tsapaina aloha ny fihodinana voalohany. Raha hahita-mangirana izany, any amin’ny faharoa vao tena manovokavoka hanao izay hahavoafidy ny tena. Raha mandamoka ny raharaha, korontanina… Na izany aza, misy ny tena miomana amin’ny fifidianana: tsy mila korontana. Mby amin’ny hoe manantena ho voafidy matoa mirotsaka.

Vahoaka tompon’ny teny farany

Aiza ho aiza ny vahoaka amin’izany rehetra izany? Hoe tompon’ny teny farany… Ny tany no milamina dia ny vahoaka, na eo aza, ohatra, sanatria, ny karazana fanakorontanana politika. Nefa ny korontana koa no miseholany na tsy azo ihodivirana, mby amin’izay tsy zakany intsony ny vahoaka. Na izany aza, tsy azo odian-tsy hita fa tsy mihetsika ho azy amin’izao ny vahoaka. Tsy zaka intsony ny toe-draharaha? Ny lafiny sosialy, ohatra. Na voafitaky ny mpanao politika za-dratsy manao tohatra fiakarana, amboletra…

Filazan’ny mpandinika sasany ny hoe: olana toekarena tsy voavaha ny olana politika, olana sosialy tsy voavaha ny olana toekarena. Olana so­sialy no mahatonga olana poli­tika amin’ny farany: hanao ahoana amin’izao fiatrehan’ ny fitondram-panjakana ny sosialim-bahoaka ho laharam-pahamehana izao? Hiara-mahita eo… Lasa politika ho azy ny raharaha noho izany ao anatin’ny zotram-pifidianana? Soa ihany, eo ny vahoaka tompon’ny teny farany.

R. Nd.

Partager sur: