Fidinana ifotony: miezaka manakaiky vahoaka ny Tim

Mazava ny toromarika. Ankoatra ny fanentanana ny olom-pirenena hanatona fokontany amin’ny fanavao­zana ny lisitry ny mpifidy, midina ifotony koa ireo mpikambana Tim. Anisan’izany ny eo anivon’ny boriborintany III, Antananarivo Renivohitra. Nanadio ny lakandrano etsy Ankorondrano Atsinanana izy ireo, omaly ary mbola hitohy izany. Nanampy sy nanohana izany ny depiote voafidy eny an-toerana, Ralambomanana Feno.
Nanohy ny fanampiana efa nataony ho an’ireo traboina noho ny haintrano tetsy Ankorondrano koa ny tenany, ankoatra ny efa nateriny mi­vantana teo aloha. Nirahiny teny an-toerana, ny herinandro teo ny mpiara-miasa aminy, nanolotra tafo maromaro ho azy ireo, ho fanarenana ny tranon’izy ireo ravan’ny afo. Niainga amin’ny fangatahan’ ireo mponina izany, fanampiana izany.

Nampahery sy nampionona ireo traboina

Etsy andaniny, niditra an-tsehatra nanala tsinkafona niaraka amin’ireo tantsaha teny Antehiroka Ambohimanarina koa ny depiote Tim, i Andria­mampandry Todisoa. Natao izany hanamora ny fivoahan’ny rano eny amin’iny lemaka iny.
Nitohy amin’ny fijinjana sy fitaomana ary ny fivelesana ny vary izany. Teo koa ny fa­nampiana ireo traboina, narahin’ny fampiononana ireo namoy havana, noho ny fiakaran’ny rano.

Synèse R.

Partager sur: