Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny fitandroana ny filaminana nandritra ny lanonana fandraisana ny Barea teny amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina. Jiolahy mpangarom-paosy dimy tratran’ny polisy tao amin’ny faritry ny Kianjabe. Nifandrimbona tamin’ny fiambenana tao Mahamasina ny hery vonjy taitran’ny polisy (FIP – UIR – SAG) ary ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5).
Voalazan’ny tatitra nampitain’ny polisy fa ny olona variana mifaly miaraka amin’ny ekipam-pirenena, ny olon-dratsy koa mba mifaly manao ny asa ratsiny misaka ny paosin’ireo mpijery fety. Noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy. Nanamafy ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa nanao izay ho afany hatrany izy ireo nahafahan’ny olona rehetra nifety am-pilaminana. Na teo aza anefa izany, tsy kely lalana hatrany ny mpanao ratsy rehefa vory vahoaka toy izao. Tsy afa-bela teo anatrehan’ny mpitandro filaminana anefa ry zalahy.
Jean Claude