Krizy ara-tsakafo: hovaina ny fomba fisakafoana

Natao ny 18 hatramin’ny 21 janoary 2023 teo tany Berlin Alemaina, ny Fika­onan-doha iraisam-pirenena mikasika ny sakafo sy ny fambolena (GFFA). Lohahevitra noraisina ny hoe « Hovaina ny fomba fihinana sakafo : vahaolana maneran-tany ma­maha krizy maro ». Nahatratra 2.000 ny mpandray anjara, nahitana minisitry ny fambolena miisa 64 izay avy aty Afrika ny ankamaroany.
Isan’ny tena nivoitra nandritra ity fivoriambe ity ny hamolavolana paikady mikasika ny hanovana ny fomba fisakafoana, hiatrehana ny krizy, toy ny hampihenana ny sakafo very fotsiny na fandaniana mihoampampana. Ha­petraka koa ny fepetra sy ny fitsipika, halamina ny famatsiana sakafo ary hampiroboroboana ny famokarana isam-paritra, ahitana karazana vokatra marolafy.
Nampahatsiahivina koa ny ahafahana miatrika ny fambolena ny fiovan’ny toetr’andro. Nohamafisina ny fikajiana ny tontolo iainana, ka hifehezana ny fampiasana ny zezika sy ny fanafody simika. Eo koa ny ady amin’ny fandripahana ny ala. Hohamafisina ny fitantanana mahomby sy ny asan’ny Vaomiera iraisam-pirenena momba ny sakafo ao amin’ny ONU.

Njaka A.

Partager sur: