Lafo ny angovo hafa: tsy afa-miala amin’ny saribao ny Malagasy

Heverina hatramin’ny ela fa fomba fanao mahazatra fotsiny ny fampiasana saribao na arina fandrehitra, tsy dia nasian’ny tompon’andraikitra resaka loatra, ny hazo fanao saribao anefa ianteheran’ny tokantrano 97 % ny fampiasana azy eto Madagasikara. Na hita miha lafo aza, mbola ny saribao aloha ankehitriny no takatry ny maro. Marihina fa tombanana manjifa saribao 100 kg isan’olona isan-taona ny mponina an-tanàn-dehibe. Manampy izany ny fandaniana ataon’ireo orinasa, indostria madinika, trano fisakafoana.
Tsy afa-miala amin’ny saribao ny Malagasy, antony iray lehibe mahapotika ny ala, na hazo sarobidy aza misy manao saribao. Raha ao amin’ny distrikan’i Moramanga, Tsiazompaniry, Manja­kandriana, Anjozorobe, tombanana 402 000 t tamin’ny 10 taona lasa, ankehitriny 420  000 t isan-taona, araka ny tarehimarika navoakan’ny ANGAP. Ny vidiny 23 000 Ar tafakatra 35 000 na 40 000 Ar amin’izao fotoana.
Fiantraikan’izany ny fiovan’ny toetr’andro, fahaverezan’ny zava-boahary maro, fihotsahan’ny tany … Ny hita anefa, mitombo ihany ny fanjifana saribao na mitombo aza ny vidiny. Na misy aza ny fambolen-kazo faobe « tsy mahaleo ny sarany ny vidiny ».
Inona ary ny fomba hampihenana ny fanjifana izany eto an-toerana ? Fomba tsotra indrindra aloha ny fambolen-kazo misy fanaraha-maso. Tokony hahatratra 40 000 ha ny hazo volena amin’ny taona 2030. Fa ny antoka lehibe indrindra dia ny mampidina vidin’ny angovo hafa fampiasa ao an-tokantrano, toy ny herinaratra, ny gazy…
Hiadiana ny fanimbana ny ala nefa tsy mifanaraka amin’izay ny vidin’ny angovo hafa. Ny fahefa-mividin’ny mponina rahateo tsy mahatakatra raha tsy saribao.

Ndrina

Partager sur: